Ny atin’ny Fitoerana Masina, dia roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, roapolo hakiho ny haavony.
Eksodosy 30:3 - Baiboly Katolika Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Petaho takelaka volamena tsy miharo izany, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ireo tandrony, ary asio sisiny volamena manodidina azy. DIEM PROTESTANTA Horakofana takela-bolamena madio ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony, ary hasiana sisiny volamena manodidina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Horakofana takela-bolamena madio ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony, ary hasiana sisiny volamena manodidina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina. Malagasy Bible Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina. La Bible en Malgache Petaho takelaka volamena tsy miharo izany, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ireo tandrony, ary asio sisiny volamena manodidina azy. |
Ny atin’ny Fitoerana Masina, dia roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, roapolo hakiho ny haavony.
Ka toy izany no nametahany volamena avokoa ny trano manontolo, dia ny trano manontolo, ary ny ôtely teo anoloan’ny Fitoerana Masina nopetahany volamena.
Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,
Hasianao takela-bolamena izy ao anatiny sy ao ivelany, ary hasianao tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ka hitovy ny lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony; iray amin’ny tandrony.
Hanaovanao masom-bolamena roa izy eo ambanin’ilay koronosy eo amin’ny rirany roa, hataonao amin’ny laniny roa, hidiran’ny bao hitondrana azy.
Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra: