Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 30:21 - Baiboly Katolika

Hanasa ny tongony aman-tanany izy, ka tsy ho faty izy. Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany, dia ho an’i Aarôna sy ny taranany amin’ny taona mifandimby.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hanasa ny tongony aman-tanany mba tsy ho faty; ho lalàna maharitra aminy sy ireo zanany hatramin’ny taranany fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy maintsy misasa tongotra aman-tanana izy mba tsy ho faty. Fepetra hanan-kery hatrany eo aminy sy ny taranany izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy maintsy misasa tongotra aman-tanana izy mba tsy ho faty. Fepetra hanan-kery hatrany eo aminy sy ny taranany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin’ny taranany fara mandimby.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin'ny taranany fara mandimby.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hanasa ny tongony aman-tanany mba tsy ho faty; ho lalàna maharitra aminy sy ireo zanany hatramin’ny taranany fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko



Eksodosy 30:21
4 Rohy Ifampitohizana  

Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»


Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»


Fa hiàfana amin’io rano io izy mba tsy ho faty, na rehefa hiditra amin’ny trano lay fihaonana, na rehefa hanatona ny ôtely hanao ny raharahany hampanetona sorona amin’i Iaveh.


Hoy koa i Iaveh tamin’i Môizy: