«Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary i Aarôna sy ireo zanany hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy.
Eksodosy 29:15 - Baiboly Katolika «Alao ny iray amin’ireo ondralahy, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambonin’ny lohan’ny ondralahy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Alao indray ny ondrilahy iray ka aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny ondrilahy; DIEM PROTESTANTA «Avy eo dia halaina ny ondrilahy iray, ka hametrahan’i Aharôna sy ny zanany lahy tanana eo amin’ny lohany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Avy eo dia halaina ny ondrilahy iray, ka hametrahan’i Aharôna sy ny zanany lahy tanana eo amin’ny lohany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny ondrilahy; Malagasy Bible Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy; La Bible en Malgache Alao indray ny ondrilahy iray ka aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny ondrilahy; |
«Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary i Aarôna sy ireo zanany hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy.
ianao kosa hamono ny ondralahy sy hananty ny rany ary handraraka izany manodidina ambony ôtely.
«Alao koa ny ondralahy faharoany, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambony lohan’ny ondralahy.
Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin’ny sobika miaraka amin’ny vantotr’ombalahy iray sy ny ondralahy roa.»
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.