Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:10 - Baiboly Katolika

10 «Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary i Aarôna sy ireo zanany hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary asaivo entina ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana ny vantotra ombilahy; ary aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 «Hoentina eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny ombilahy, ka hametrahan’i Aharôna sy ny zanany lahy tanana eo an-dohan’ny ombilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 «Hoentina eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny ombilahy, ka hametrahan’i Aharôna sy ny zanany lahy tanana eo an-dohan’ny ombilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary asaovy entina ho eo anoloan’ny trano-lay fihaonana ny vantotr’ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary asaovy entina ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary asaivo entina ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana ny vantotra ombilahy; ary aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Hovonoinao eo anatrehan’i Iaveh ny ombalahy eo amin’ny fidirana ho ao an-trano lay fihaonana;


«Alao ny iray amin’ireo ondralahy, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambonin’ny lohan’ny ondralahy;


«Alao koa ny ondralahy faharoany, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambony lohan’ny ondralahy.


Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.


Rehefa vitanao ny fanonerana dia manatera vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema, sy ondralahy iray, avy amin’ny andiany, tsy misy kilema.


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.


hapetrak’i Aarôna eo ambonin’ny lohan’ny osy lahy velona ny tanany roa, dia holazainy eo amboniny avokoa ny otan’ny zanak’i Israely sy ny fahadisoany rehetra araka izay fahotana nataony, hataony eo ambonin’ny lohan’ilay osy lahy izany ota izany, vao halefany ho any an’efitra izy, hoentin’ny olona efa voaomana.


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.


Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.


Dia nasainy naroso ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ombalahy hatao sorona noho ny ota.


Dia nasainy naroso ny ondralahy hatao sorona dorana, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy.


Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra