Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.
Eksodosy 28:32 - Baiboly Katolika Asio vozony, eo afovoany, hidiran’ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin’ny vozon’akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Asio vozony eo afovoany ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy haharovitra azy. DIEM PROTESTANTA Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran’ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran’ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy. Malagasy Bible Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy. La Bible en Malgache Asio vozony eo afovoany ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy haharovitra azy. |
Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.
Tamin’izany andro izany, hoy koa aho tamin’ny vahoaka: «Samia mandry eto Jerosalema, miaraka amin’ny mpanompony avy, mba hiambina antsika mandritra ny alina, sy hiasa mandritra ny andro.
Ka handrininy eo anoloany ny voasandratra rehetra; izy no mpanjakan’ny biby mahery rehetra.»
Ny moron-tongony asio sarin’ampongabendanitra jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka ary lamba mena antitra, amin’ny morony ambany, atao manodidina, elanelanin’ny lakolosy kely volamena manodidina hatrany:
Ny vozony, teo afovoan’ny akanjo lavan’ny efôda, dia nataony toy ny an’ny akanjo fiarovan-tratra: nasiany sisiny vita tenona, manodidina io vozona io, mba tsy haharovitra azy.