Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 28:11 - Baiboly Katolika

Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’ny asan’ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fitombo-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ny Zanak’Israely ary asio randram-bolamena manodidina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin’ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin’ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

amin’ny asan’ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ny Zanak’Isiraely; ary asio randrambolamena manodidina izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’ny asan’ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fitombo-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ny Zanak’Israely ary asio randram-bolamena manodidina.

Jereo ny toko



Eksodosy 28:11
16 Rohy Ifampitohizana  

raha mba fisokirana vy mbamin’ny firaka no isokirana azy amin’ny vatolampy ho mandrakizay.


ny enina amin’ny anarany, amin’ny vato iray, ny anarany enina sisa amin’ny vato iray, alahatra araka ny fizokiana.


Ataovy eo amin’ny soroky ny efôda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak’i Israely, fa hoentin’i Aarôna amin’ny sorony roa eo anatrehan’i Iaveh ny anaran’izy ireo ho fahatsiarovana.


Hifanisa amin’ny anaran’ny zanak’i Israely ny vatosoa, dia roa ambin’ny folo araka ny anaran’izy ireo; ho voasikotra toy ny fanombohan-kase, samy misy ny anarany avy araka ny foko roa ambin’ny folo.


ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.


«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.


andalana fahefatra: krizôlita, berila, jaspa. Samy voahodidina rôzy kely volamena ireo vato ireo avy, teo amin’izay nandatsahana azy.


Ary nofeheziny tamin’ny randram-bolamena roa ny tendrony roa amin’ny rojony roa dia napetraka teo amin’ny soroky ny efôda anoloana.


Namboarina ny vato berila nalatsaka tamin’ny randram-bolamena, ka nosokirina tamin’ireo toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny anaran’ny zanak’i Israely,


Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza I Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà dia hombotako hiala eo izy.


Fa inty ny vato napetrako eo anoloan’i Jesosy; maso fito no amin’izay vato tokana izay; indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary hoesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity!


Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombokasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina,


Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay nanasiana tombokase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.


Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe: Fantatry ny Tompo ny Azy, sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetra manonona ny Anaran’ny Tompo.


Dia nahita Anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona, ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina nanimba ny tany aman-dranomasina,