Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 27:17 - Baiboly Katolika

Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban’ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Samy hisy farango volafotsy hitohizany ny andry rehetra amin’ny kianja manodidina; ho volafotsy ny fihantonany ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny tsangantsangany rehetra amin’ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Samy hisy farango volafotsy hitohizany ny andry rehetra amin’ny kianja manodidina; ho volafotsy ny fihantonany ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko



Eksodosy 27:17
4 Rohy Ifampitohizana  

Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.


Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimampolo avy, ny haavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina.


Ary ny dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo sikla, nanaovana ny faraingo amin’ny andry, sy ny peta-bolafotsy amin’ny koronosin’ny lohan’ny andry, ary ny anjaka itohizany.


Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.