Nopetahany hazo fisaka sedera ny roapolo hakiho hatreo amin’ny fara rindrina hatrany amin’ny tany ka hatrany amin’ny loha rindrina, ary ny trano dia nanavahany izay ho Fitoerana Masina, Fitoerana Masina indrindra.
Eksodosy 26:33 - Baiboly Katolika Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelona ao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra. DIEM PROTESTANTA Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo. Malagasy Bible Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo. La Bible en Malgache Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra. |
Nopetahany hazo fisaka sedera ny roapolo hakiho hatreo amin’ny fara rindrina hatrany amin’ny tany ka hatrany amin’ny loha rindrina, ary ny trano dia nanavahany izay ho Fitoerana Masina, Fitoerana Masina indrindra.
Nony nivoaka avy tao amin’ny Fitoerana Masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’i Iaveh ny rahona,
Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny toerany ny Fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia tao amin’ny Toerana Masin’ny trano, ao amin’ny Fitoerana Masina indrindra, teo ambonin’ny elatry ny kerobima.
Dia nataony ny efitrano masina indrindra: roapolo hakiho araka ny sakan’ny trano ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Nopetahany volamena madio io, nahalaniana talenta volamena enin-jato,
ka ahantòny amin’ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin’ny faladia volafotsy efatra.
Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»
ary nanaovana andry efatra amin’ny hazo akasià, nopetaham-bolamena, sy faraingony volamena; ary volafotsy no narendrika natao faladiany efatra.
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Ary amin’ny ilan’ny tempoly dia nandrefy roapolo hakiho izy amin’ny an-davany, ary roapolo hakiho amin’ny sakany, dia hoy izy tamiko: «Io ny fitoerana masina indrindra».
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ilazao i Aarôna rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin’ny fitoerana masina, anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny fanaovam-panavotana Aho.