Eksodosy 26:32 - Baiboly Katolika ka ahantòny amin’ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin’ny faladia volafotsy efatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. DIEM PROTESTANTA Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ny farango; ary ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny fiaran’ny Vavolombelona; Malagasy Bible Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. La Bible en Malgache Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. |
«Manaova efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay;
Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelona ao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra.
Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy asianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy ianao.»
Nanaovana andriny dimy mbamin’ny faraingony avy io varavarana lamba io, ary voapetaka takela-bolamena ny koronosin’ireo mbamin’ny anjaka itohizany, ary varahina ny faladiany dimy.