Eksodosy 26:18 - Baiboly Katolika Hanao ny hazo fisaka hatao amin’ny Fonenana ianao; hazo fisaka roapolo ho an’ny lafiny atsimo, ankavanana izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ataovy ny hazofisaka ho amin’ny tabernakely, hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny atsimo. DIEM PROTESTANTA Hazo fisaka roapolo no hatao ho an’ny lafiny atsimo amin’ny fonena-masina, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hazo fisaka roapolo no hatao ho an’ny lafiny atsimo amin’ny fonena-masina, Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova ny zanakazo ho amin’ny tabernakely, dia zanakazo roa-polo ho eo amin’ny lafiny atsimo. Malagasy Bible Ary manaova ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo. La Bible en Malgache Ataovy ny hazofisaka ho amin’ny tabernakely, hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny atsimo. |
«Hanao hazo fisaka koa ianao hatao amin’ny Fonenana, hazo fisaka amin’ny akasià dia hatsangana izany.
Hisy lahiny roa avy, amin’ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin’ny Fonenana.
Hasianao faladia volafotsy efapolo ny fanambanin’ireo hazo fisaka roapolo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an’ny lafiny roa avy.