Eksodosy 23:18 - Baiboly Katolika «Tsy haterinao miaraka amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina ho tra-maraina ny menaka momba ny fetiko.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy. DIEM PROTESTANTA «Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin’ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran’ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin’ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran’ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy hianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy. Malagasy Bible Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy. La Bible en Malgache Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy. |
«Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Raha misy sisa tsy lany ka tra-maraina ny hena avy amin’ny fanokanana ny mofo, dia hodoranao izany fa tsy hohanina, satria zava-masina.»
«Tsy hiara-katolotra amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina mandritra ny alina ho tra-maraina ny sorona amin’ny fetin’ny Paka.»
«Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.
Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin’ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voararaka diloilo, ary lafarina nendasina ho mofomamy voadity tamin’ny diloilo.
Amin’ny andro hanaterana azy ihany no hihinanana ny henan’ny sorom-pisaorana amin’ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina.»
Aoka tsy hisy lalivay ao aminao amin’ny faritaninao rehetra mandritra ny hafitoana, ary aza misy avela hiloaka alina ho tra-maraina ny henan’ny sorona novonoinao tamin’ny harivan’ny andro voalohany.