Nanao fetin’ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan’andro isan’andro, araka ny isany voadidin’ny lalàna hatao isan’andro.
Eksodosy 23:16 - Baiboly Katolika Hotandremanao ny fetin’ny fijinjana, fetin’ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin’ny fanangonam-bokatra amin’ny faran’ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. DIEM PROTESTANTA Hankalazainareo manaraka izany ny fetin’ny fijinjana amin’ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr’izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin’ny faran’ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hankalazainareo manaraka izany ny fetin’ny fijinjana amin’ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr’izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin’ny faran’ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha hianao. Malagasy Bible Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. La Bible en Malgache Tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. |
Nanao fetin’ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan’andro isan’andro, araka ny isany voadidin’ny lalàna hatao isan’andro.
«Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy.
«Hankalazainao ny fetin’ny Herinandro, ny voaloham-bokatra amin’ny fijinjam-bary, ary ny fetin’ny fampakaram-bokatra amin’ny faran’ny taona.»
Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao, sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.
«Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.
Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany.