Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 22:5 - Baiboly Katolika

«Raha misy olona manimba voly na tanimboaloboka, fa nampitondraka ny bibiny tamin’ny sahan’olona dia honerany izany amin’izay tsara indrindra amin’ny voliny sy amin’izay tsara indrindra amin’ny tanimboalobony.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Raha misy olona mandoro lobolobo misy tsilo ka mitatra amin’ny antontam-bary na vary hojinjana na tanimboly ny afo, dia tsy maintsy hanonitra ny may ilay nandoro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha misy olona mandoro lobolobo misy tsilo ka mitatra amin’ny antontam-bary na vary hojinjana na tanimboly ny afo, dia tsy maintsy hanonitra ny may ilay nandoro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.

Jereo ny toko



Eksodosy 22:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Hamerina izay azony izy, fa tsy hambosika an’izany, araka ny tombony azony, ka tsy hiarana amin’izany izy.


dia hanonitra ny tompon-davaka, haloany volafotsy izay vidin’ny biby maty, ho azy».


Raha tao aminy anefa no nangalarana ny biby, dia tsy maintsy manonitra amin’ny tompom-biby izy.


fa raha efa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-dra ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr’izay nangalariny;


ary raha mbola tratra velona eo an-tanany izay nangalariny, na omby na ampondra na ondry, dia honerany avo sasaka».


«Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo aloha, izay vao mandevona amboaram-bary koa, na vary mbola tsy voajinja, na saha, dia hanonitra izay nandrehitra ny afo.»


Eh, tsy tany tondra-dronono sy tantely no nitondranao anay; tsy saha aman-tanimboaloboka no natolotrao ho fanananay! Heverinao hopotsirina angaha ny mason’ireto olona ireto? Izahay tsy hiakatra.»