Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 21:36 - Baiboly Katolika

Raha fantatra anefa fa efa mpanoto hatramin’ny ela ilay omby fa tsy nitandrina azy ihany ny tompony, dia hanonitra izy, hoefainy omby ny omby, fa ny omby maty no ho azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nefa kosa, raha tàhiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nefa kosa, raha tàhiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy. Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy.

Jereo ny toko



Eksodosy 21:36
4 Rohy Ifampitohizana  

Raha omby efa nanoto hatramin’ny ela anefa sady efa nilazana izany ny tompony, nefa tsy mitandrina azy, dia hotoraham-bato ny omby, raha mahafaty lehilahy na vehivavy, ary atao maty koa ny tompony.


«Raha misy ombin’olona manoto ombin’olon-kafa ka mahafaty azy, dia hamidin’izy ireo ny omby velona, ka ny vidiny hozarainy, ny omby maty koa hozarainy.


«Raha misy olona mangalatra omby na zanak’ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak’ondry efatra ny zanak’ondry iray.»


Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra mihoatra azy: aina solon’ny aina.