Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 21:36 - DIEM PROTESTANTA

36 Nefa kosa, raha tàhiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Nefa kosa, raha tàhiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 Raha fantatra anefa fa efa mpanoto hatramin’ny ela ilay omby fa tsy nitandrina azy ihany ny tompony, dia hanonitra izy, hoefainy omby ny omby, fa ny omby maty no ho azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy. Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 21:36
4 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa, raha tàhiny efa zatra manoto ilay ombilahy ary efa nampandrenesina ny tompony fa tsy nanara-maso azy, ka nahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty ilay ombilahy ary hovonoina ho faty koa ny tompony.


«Raha misy ombilahin’olona mandratra mahafaty ny ombilahin’ny namany, dia hamidiny ny ombilahy velona ka hozarainy ny vola vidiny, ary hozarainy toy izany koa ilay maty.


«Raha misy mpangalatra tratra eo am-pangalarana amin’ny alina ary voakapoka ka maty, dia tsy vono olona akory izany;


Fa izay mahafaty biby fiompy kosa, dia hanonitra azy: biby velona no solon’ny biby maty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra