Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Eksodosy 21:32 - Baiboly Katolika Fa raha andevolahy na andevovavy no totoin’ny omby dia vola fotsy telopolo sikla no haloa ho an’ny tompon’ny andevo, ary ny omby hotoraham-bato.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha manoto andevolahy na andevovavy izy dia homena sekela volafotsy telopolo ny tompon’andevo, ary ny omby dia hotoraham-bato. DIEM PROTESTANTA Raha manoto ka mahafaty mpanompolahy na mpanompovavy kosa ny ombilahy, dia handoa onitra volafotsy telopolo amin’ny tompon’ny mpanompo ilay tompon’omby, ary ny ombilahy kosa dia hotoraham-bato ho faty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha manoto ka mahafaty mpanompolahy na mpanompovavy kosa ny ombilahy, dia handoa onitra volafotsy telopolo amin’ny tompon’ny mpanompo ilay tompon’omby, ary ny ombilahy kosa dia hotoraham-bato ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon’andevo, ary ny omby hotoraham-bato. Malagasy Bible Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon'andevo, ary ny omby hotoraham-bato. La Bible en Malgache Raha manoto andevolahy na andevovavy izy dia homena sekela volafotsy telopolo ny tompon’andevo, ary ny omby dia hotoraham-bato. |
Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Raha zazalahy na zazavavy no totoin’ny omby, dia io lalàna io ihany koa no hampiasaina.
«Raha misy olona manokatra lava-drano, na olona vao mandavaka lava-drano ka tsy mandrakotra azy, ka misy omby na ampondra latsaka ao,
Ka novidiko tamin’i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ilay saha ao Anatôta, ary nolanjaiko ny vola ho azy, sikla volafotsy fito ambin’ny folo.
ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.
fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,