Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 21:33 - Baiboly Katolika

33 «Raha misy olona manokatra lava-drano, na olona vao mandavaka lava-drano ka tsy mandrakotra azy, ka misy omby na ampondra latsaka ao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka ka tsy rakofany ka misy omby na boriky latsaka

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 «Raha misy olona manokatra lava-drano na mandavaka lava-drano nefa tsy mandrakotra azy, ka misy omby na boriky latsaka ao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 «Raha misy olona manokatra lava-drano na mandavaka lava-drano nefa tsy mandrakotra azy, ka misy omby na boriky latsaka ao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka ka tsy rakofany ka misy omby na boriky latsaka

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 21:33
9 Rohy Ifampitohizana  

Mihady lavaka hahaverezany ahy ireo mpiavonavona, izay mpanohitra ny lalànao.


mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra, eo am-bavahadin’ny zanaka vavin’i Siôna, sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao.


Fa raha andevolahy na andevovavy no totoin’ny omby dia vola fotsy telopolo sikla no haloa ho an’ny tompon’ny andevo, ary ny omby hotoraham-bato.»


dia hanonitra ny tompon-davaka, haloany volafotsy izay vidin’ny biby maty, ho azy».


Izay mamily ny mahitsy fo, ho amin’ny lalan-dratsy, dia mandatsaka ny tenany amin’ny lavaka nohadiny, fa ny tsy misy tsiny dia handova ny fahasambarana.


Izay mihady lavaka mety ho latsaka ao, ary izay mandrava rafi-bato mety hokaikerin’ny menarana.


Dia ratsy va no havaly ny soa, no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo? Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao, hiteny aminao mba ho azy ireo, hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!


Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony, rehefa tonganao tampoka ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana. Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo; sady efa nanafim-pandrika eo anoloan’ny tongotro.


Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra mihoatra azy: aina solon’ny aina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra