Tsy lehibe noho izaho izy ato an-trano; ianao irery no narovany tamiko, fa vadiny ianao. Koa ataoko ahoana no fanao izany ratsy lehibe izany, sy hanota amin’Andriamanitra?»
Eksodosy 20:14 - Baiboly Katolika «Tsy hijangajanga ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mijangajanga. DIEM PROTESTANTA «Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona. Baiboly Protestanta Malagasy Aza mijangajanga. Malagasy Bible Aza mijangajanga. La Bible en Malgache Aza mijangajanga. |
Tsy lehibe noho izaho izy ato an-trano; ianao irery no narovany tamiko, fa vadiny ianao. Koa ataoko ahoana no fanao izany ratsy lehibe izany, sy hanota amin’Andriamanitra?»
Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain’i Davida sy noraisiny ao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak’i Iaveh izany zavatra nataon’i Davida izany.
Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.
Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ny lahy,
«Didy inona avy?» hoy izy. Dia hoy i Jesoa: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina,
Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an’ny namanao.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Satria Ilay nanao hoe: Aza mijangajanga ihany no nanao hoe: Aza mamono olona koa. Ka na tsy mijangajanga aza ianao, nefa mamono olona, dia mpandika lalàna ihany.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»