Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;
Eksodosy 2:15 - Baiboly Katolika Nony ren’i Faraôna ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina i Môizy, saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy, ka nankany amin’ny tany Madiàna, dia nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy. DIEM PROTESTANTA Henon’ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan’ny fantsakana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Henon’ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan’ny fantsakana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa ren’i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’i Farao ka nonina tany amin’ny tany Midiana; ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana izy. Malagasy Bible Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy. La Bible en Malgache Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy. |
Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;
Ka izao no naterak’io taminy: i Zamràna, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaka ary i Soe.
Ny zanakalahin’i Madiàna dia i Efà, i Ofera, i Henoka, i Abidà, ary i Eldao. Ireo no zanaka lahin’i Setorà rehetra.
Nitazana izy ka indro lavaka fantsakana anankiray teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry telo dia, nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan-drano ny biby fiompy, ary lehibe ny vato teo ambonin’ny vava lavaka.
Nony niala tany Madiàna izy, dia nankany Faràna, ary naka olona avy tao Faràna hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ka nomen’izy io trano i Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany.
ary ny iray natao hoe: Eliezera, fa hoy izy: «Novonjen’ny Andriamanitry ny raiko aho, fa nafahany tamin’ny sabatr’i Faraôna.»
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy, tany amin’ny tany Madiàna; «Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao.»
Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany ka voa.
Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna, ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.
teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny ora fahenina.
Dia nandositra i Môizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin’ny tany Madiàna, ary niteraka zanaka roa lahy tany.»
Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy.