Ka hoy i Môizy: «Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.»
Eksodosy 19:21 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra mankatỳ amin’i Iaveh mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Midìna dia ampitandremo ny olona, fandrao hisisika hankao amin’NY TOMPO izy mba hijery ka ho betsaka ny maty. DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Midìna dia ampitandremo ny olona, fandrao hisisika hankao amin’NY TOMPO izy mba hijery ka ho betsaka ny maty. |
Ka hoy i Môizy: «Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.»
Dia hoy Andriamanitra: «Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.»
Dia hoy i Iaveh: «Tsy afa-mahita ny Tavako ianao, satria tsy afa-mahita Ahy ny olombelona ka mbola ho velona ihany.»
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao.
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.
Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,
fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipỳ maso aza, fandrao maty izy.
ary nitsangana teo anelanelan’i Iaveh sy ianareo aho tamin’izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo ianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy:
Nokapohin’i Iaveh ny olona tao Bety-Samesy, fa nijerijery foana ny Fiaran’i Iaveh, ka olona fitopolo sy dimy alina no novonoiny tamin’ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan’i Iaveh ny vahoaka tamin’ny loza mafy.