dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.
Eksodosy 19:14 - Baiboly Katolika Dia nidina avy any an-tendrombohitra i Môizy nankeo amin’ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona. DIEM PROTESTANTA Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nidina avy tao amin’ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. Malagasy Bible Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. La Bible en Malgache Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona. |
dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.
Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.
Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»
Nony vita izany dia hoy izy tamin’ny vahoaka: «Aoka ho voaomana ao anatin’ny hateloana ianareo; aza mikasi-behivavy».
mbamin’ny zavatra rehetra sahy afo, ataovy amin’ny afo dia hadio izy; nefa mbola hodiovina amin’ny rano fandiovana izy. Ary izay rehetra tsy sahy afo, dia ataovy amin’ny rano.
Ary hoy ity mpisorona namaly an’i Davida hoe: «Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona».