«Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Eksodosy 19:1 - Baiboly Katolika Tamin’ny volana fahatelo aorian’ny nivoahany tany Ejipta, tamin’izany andro izany, no nahatongavan’ny zanak’i Israely tany an’efitr’i Sinaia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay. DIEM PROTESTANTA Ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr’i Sinay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr’i Sinay. Baiboly Protestanta Malagasy TAMIN’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Zanak’Isiraely tamin’ny tany Egypta, dia tamin’izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’i Sinay. Malagasy Bible TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay. La Bible en Malgache Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay. |
«Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Ary tamin’izany andro izany indrindra no namoahan’i Iaveh tamin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely voalamina isan-tokony.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io, vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra, amin’ilay àty takariva iny.
Niala teo Elima izy ireo ary ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa, taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.
Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»
«Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana.
Any an’efitra Sinaia, tao an-trano lay fihaonana, tamin’ny andro voalohany amin’ny volana faharoa, taona faharoa taorian’ny nivoahana tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe;
Ka nanohy ny diany ny zanak’i Israely, dia niala tao amin’ny efitra Sinaia, ary tany amin’ny efitra Faràna no nijanona ny rahona.
«Niteny tamintsika i Iaveh Andriamanitsika tany Horeba nanao hoe: Ampy izay ny haelan’ny nitoeranareo tamin’ity tendrombohitra ity,
Tsarovy ny andro nisehoanao teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, tany Horeba, fony i Iaveh nilaza tamiko hoe: Angony ho atỳ amiko ny vahoaka fa hampandrenesiko azy ny teniko, mba hianarany matahotra Ahy, amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany, sy hampianariny ny zanany koa.
Koa rehefa tsy nahita endrika akory ianareo, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh taminareo, tao anatin’ny afo tany Horeba, dia tandremo tsara ny fanahinareo,