Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Eksodosy 18:22 - Baiboly Katolika

Izy no hitsara ny vahoaka mandrakariva: ny raharaha lehibe hoentiny eo anatrehanao; ny raharaha madinika kosa hotapahin’izy ireo ihany. Hamaivano ny raharaha entinao, ary aoka izy ireo hiara-mitondra aminao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aoka ireo no hitsara ny olona isak’izay mandeha, fa ny ady lehibe rehetra ihany no aoka hoentiny eo aminao, ary ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany. Ho maivamaivana kokoa aminao izany, fa hiara-mitondra aminao ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo no hitsara ny vahoaka isan’andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin’izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo no hitsara ny vahoaka isan’andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin’izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

Aoka ireo no hitsara ny olona isak’izay mandeha, fa ny ady lehibe rehetra ihany no aoka hoentiny eo aminao, ary ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany. Ho maivamaivana kokoa aminao izany, fa hiara-mitondra aminao ireo.

Jereo ny toko

Eksodosy 18:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary ianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren’Andriamanitrao, izay eo an-tananao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin’ny ony, amin’izay rehetra mahalala ny lalàn’ny Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala.

Handreraka anao sy ny vahoaka izay eto aminao mihitsy izao, satria asa tsy eran’ny ainao izao, ka tsy vitanao samy irery.

Raha manao izany ianao ka hatoron’Andriamanitra anao koa izay didiny, dia hahazaka izany ianao ary ny vahoaka koa ho tonga soa aman-tsara amin’izay halehany.»

Dia ireo no nitsara ny vahoaka mandrakariva; ny raharaha lehibe nentiny teo anatrehan’i Môizy; ny raharaha madinika notapahin’izy ireo ihany.

Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;

Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.

Nentin’ireo nahita azy nanangona kitay hazo teo amin’i Môizy sy i Aarôna ary ny fiangonana rehetra izy.

Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:

Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:

Noho izany ihany koa no andoavanareo hetra; fa mpanao raharahan’Andriamanitra ny mpifehy, milozoka amin’izay raharahany.