Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 18:19 - Baiboly Katolika

Koa henoy ny teniko: fa indro homeko hevitra ianao ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny vahoaka eo amin’Andriamanitra, hanatitra ny adiny eo anatrehan’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa ankehitriny, ekeo ny teniko fa hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny raharahany ho eo amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka hianao ho alalan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’Andriamanitra;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa ankehitriny, ekeo ny teniko fa hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny raharahany ho eo amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Eksodosy 18:19
15 Rohy Ifampitohizana  

Nomban’i Iaveh i Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin’ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon’ny Ejiptianina tompony izy.


Efa niteny ny ankizy vavinao hoe: Aoka hampahazo fiadanana ahy ny tenin’ny mpanjaka tompoko. Fa tahaka ny Anjelin’Andriamanitra ny mpanjaka tompoko, hihaino ny tsara sy ny ratsy. Ary homba anao anie i Iaveh Andriamanitrao.


Ary hoy i Môizy tamin’ny rafozany: «Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin’Andriamanitra.


Ampahafantaro azy ireo ny fitsipika aman-dalàna, atoroy azy ny lalana tsy maintsy ombany, sy izay tsy maintsy ataony.


Neken’i Môizy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay nolazainy;


Ary hoy izy tamin’i Môizy: «Ianao ihany no aoka hiteny aminay dia hohenoinay; fa aoka tsy ho Andriamanitra no hiteny aminay, fandrao dia maty izahay».


Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»


Koa andeha, fa homba ny vavanao Aho ary hanoro izay holazainao.»


Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao; ho solom-bavanao izy, ary ianao kosa ho solon’Andriamanitra aminy.


Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa; toroy saina ny marina, hitombo fahalalana.


Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


«Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka mahita soavaly aman-kalesy sy vahoaka maro noho ianao, dia aza matahotra azy fa momba anao i Iaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.


ary nitsangana teo anelanelan’i Iaveh sy ianareo aho tamin’izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo ianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy:


Tsy efa nodidiako ianao va amin’ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao.»