Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 18:14 - Baiboly Katolika

Nony nahita izay rehetra nataon’i Môizy tamin’ny vahoaka ity rafozany, dia nanao hoe: «Inona ity ataonao amin’ireo olona ireo? Nahoana no ianao irery no mipetraka hitsara, ary ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no ianao irery no mipetraka fa ny olona rehetra kosa dia mitsangana eo anoloanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin’i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin’i Mosesy hoe: –Inona izao zavatra ataonao amin’ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin’i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin’i Mosesy hoe: –Inona izao zavatra ataonao amin’ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no hianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no ianao irery no mipetraka fa ny olona rehetra kosa dia mitsangana eo anoloanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?

Jereo ny toko



Eksodosy 18:14
6 Rohy Ifampitohizana  

Nifoha maraina koa i Absalôma dia nitoetra teo akaikin’ny lalana mankao am-bavahady, ka isaky ny nisy olona manana ady, nankao amin’ny mpanjaka hangataka fitsarana, dia nantsoin’i Absalôma izy nataony hoe: «Aninona no tanàna iavianareo?» ka nony namaly hoe: «Avy any ananona amin’ny fokon’i Israely ny mpanomponao,»


Nony ampitso nipetraka hitsara ny vahoaka i Môizy, ka nitsangana teo anatrehany, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ny vahoaka.


Ary hoy i Môizy tamin’ny rafozany: «Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin’Andriamanitra.


Dia ireo no nitsara ny vahoaka mandrakariva; ny raharaha lehibe nentiny teo anatrehan’i Môizy; ny raharaha madinika notapahin’izy ireo ihany.


Dia nambenana ralehilahy, fa mbola tsy tapaka izay hanaovana azy.


Niara-niakatra tamin’ny taranak’i Jodà, avy any amin’ny tanànan-drofia, ny taranak’ilay Kineanina zaodahin’i Môizy, nankany amin’ny efitr’i Jodà, atsimon’i Arada: ka tonga niara-monina tamin’ny vahoaka izy.