Eksodosy 16:32 - Baiboly Katolika Hoy i Môizy: «Izao no didin’i Iaveh: Fenoy izany ny gômôra iray, ka tahirizo ho an’ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo tatỳ an’efitra raha namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta Aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho. DIEM PROTESTANTA Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian’i Jehovah: Analao eran’ny vata omera izy hotehirizina hatramin’ny taranakareo fara mandimby mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta Aho. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho. La Bible en Malgache Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho. |
Ary izao no didin’i Iaveh: Samia ianareo manangona izay sahaza hohaniny avy, eran’ny gômôra, isan’olona, araka ny isan’ny olona; samia maka ho an’izay ao an-dainy avy.»
Mana no nataon’ny taranak’i Israely anaran’io zava-pihinana io; tahaka ny voan-koriandra izy, ary fotsy, ary toy ny mofo misy tantely ny tsirony.
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Makà kapoaka iray, asio mana iray gômôra, ka apetraho eo anatrehan’i Iaveh hotehirizina ho an’ny taranakareo.»
Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary Izaho no Andriamanitrareo, ary ianareo no vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo.»
Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy.
Raha efa izany, dia nandray mofo Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe: «Vatako ity izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana Ahy.»
Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin’izany.
ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.