Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 16:25 - Baiboly Katolika

Ary hoy i Môizy: «Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an’i Iaveh, ka anio ianareo tsy hahita eny an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy i Mosesy taminy: –Hano izany anio, fa sabata ho an’ny TOMPO anio, ka tsy hahita an’ireny eny an-tsaha ianareo androany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy i Mosesy taminy: –Hano izany anio, fa sabata ho an’ny TOMPO anio, ka tsy hahita an’ireny eny an-tsaha ianareo androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio.

Jereo ny toko



Eksodosy 16:25
5 Rohy Ifampitohizana  

Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.


«Izany no nasain’i Iaveh atao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an’i Iaveh; ka endaso amin’ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina».


Dia navelan’izy ireo notahiriziny ho tra-maraina izay sisa, araka ny tenin’i Môizy, nefa tsy maimbo na niloaka olitra.


Amin’ny andro enina no hakanareo izany, fa amin’ny andro fahafito izay sabata dia tsy hisy».


Jereo ange: noho i Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro ianareo, amin’ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin’ny fitoerany ianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin’ny toerana misy azy amin’ny andro fahafito.»