Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 16:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ary hoy i Mosesy taminy: –Hano izany anio, fa sabata ho an’ny TOMPO anio, ka tsy hahita an’ireny eny an-tsaha ianareo androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ary hoy i Mosesy taminy: –Hano izany anio, fa sabata ho an’ny TOMPO anio, ka tsy hahita an’ireny eny an-tsaha ianareo androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ary hoy i Môizy: «Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an’i Iaveh, ka anio ianareo tsy hahita eny an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 16:25
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna.


ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.


Dia navahan’izy ireo hotahirizina mandra-maraina ny ambiny araka izay nodidian’i Mosesy, nefa tsy maimbo na feno olitra.


Andro enina no ahazoanareo manangona sakafo; fa amin’ny andro fahafito, andro sabata, dia tsy hisy.


Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra