Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 16:18 - Baiboly Katolika

Raha efa izay dia nafatra tamin’ny gômôra, ka ny nahatonga be tsy nanana ambiny, ny nahatonga kely tsy latsa-patra, fa izay sahaza ho haniny avy ihany no voavoriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha nafatrany tamin’ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo.

Jereo ny toko



Eksodosy 16:18
3 Rohy Ifampitohizana  

Dia nataon’ny zanak’i Israely izany; samy nanangona izy, ny an’ny sasany be, ny an’ny sasany kely.


Ny zaratanin’ny zanak’i Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin’ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.»