Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 15:5 - Baiboly Katolika

Nosaforan’ny rano ireny, Nilentika amin’ny farany ambany toy ny vato izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanarona azy ireo ny lalina: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandrakotra azy ny ranobe: nilentika any amin’ny farany ambany toy ny vato alatsaka izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandrakotra azy ny ranobe: nilentika any amin’ny farany ambany toy ny vato alatsaka izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanarona azy ireo ny lalina: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy ireo.

Jereo ny toko



Eksodosy 15:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe.


Nosaforan’ny onjan-drano ireo mpandrafy azy, ka tsy nisy niangana na dia iray aza.


Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.


Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao dia safotry ny rano izy, Ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.


Ho resin-tahotra sy zoim-pahoriana izy ireo. Noho ny herin-tsandrinao, hanjary toa vato tsy mahahetsika izy ireo. Mandra-pandalon’ny vahoakanao, ry Iaveh ô, Mandra-pandalon’ny vahoakanao izay navotanao.


Tamin’ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana, tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano.


Ankehitriny kosa rehefa ravan’ny ranomasina ianao, sady nazera any amin’ny fara fanambanin’ny riaka, ny entanao mbamin’ny vahoaka rehetra tao aminao, niara-drendrika taminao koa.


Dia nivavaka tamin’i Iaveh Andriamaniny i Jônasy, tao an-kibon’ny hazandrano,


Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra;


Fa izay hanafintohina anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny kosa, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka halentika any anatin’ny ranomasina izy.


Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray naka vato hoatra ny vato lehibe fikosohan-dafarina, ka nanipy azy tany anaty ranomasina, nanao hoe: «Hazera tampoka hoatra izany i Babilôna tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony!