Nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro koa, niara-niakatra taminy, ka dia be ny mpanotrona.
Eksodosy 14:7 - Baiboly Katolika Ny nentiny dia kalesy voafantina enin-jato, sy ny kalesy tao Ejipta rehetra, samy nisy mpifehy avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitondra kalesy fitondra miady voafantina eninjato sy ny kalesy fitondra miadin’ny Ejiptiana rehetra izy ka samy nisy manamboninahitra avy ireo. DIEM PROTESTANTA Nindaosiny avokoa ny kalesin’i Ejipta, ka isan’izany ny kalesy voafantina eninjato miaraka amin’ny mpitaingina azy tsirairay avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nindaosiny avokoa ny kalesin’i Ejipta, ka isan’izany ny kalesy voafantina eninjato miaraka amin’ny mpitaingina azy tsirairay avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin’ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. Malagasy Bible Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. La Bible en Malgache Nitondra kalesy fitondra miady voafantina eninjato sy ny kalesy fitondra miadin’ny Ejiptiana rehetra izy ka samy nisy manamboninahitra avy ireo. |
Nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro koa, niara-niakatra taminy, ka dia be ny mpanotrona.
Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana? Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh.
Nanenjika azy ny Ejiptianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany.
Nohamafisin’i Iaveh ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna, ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina; Ny kapiteny voafantina natelin’ny Ranomasina Mena;
Hamely an’ilay Masin’i Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra, teny amin’ny fara sisin’i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy, ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.
Ary i Sisarà mbamin’ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahin’i Iaveh tamin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baràka, ka nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra.
Nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato i Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak’i Israely hatramin’ny roapolo taona.