Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»
Eksodosy 14:16 - Baiboly Katolika Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ianao, aingao ny tehinao ka atsory ambonin’ny ranomasina ny tananao dia saraho ny rano ka handeha hamakivaky eo afovoan’ny ranomasina, mandia tany maina, ny Zanak’Israely. DIEM PROTESTANTA Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ny ranomasina ny tànanao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. La Bible en Malgache Ary ianao, aingao ny tehinao ka atsory ambonin’ny ranomasina ny tananao dia saraho ny rano ka handeha hamakivaky eo afovoan’ny ranomasina, mandia tany maina, ny Zanak’Israely. |
Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Nahoana no mitaraina amiko ianareo? Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao, hikatonan’ny rano amin’ny Ejiptianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mialohava ny vahoaka ka ento miaraka aminao ny loholon’i Israely, ataovy an-tananao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana.
Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,
Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra.
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»
«Raha avy izay hilazan’i Faraôna aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan’i Faraôna, fa hanjary bibilava iny.»
Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika, toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.
Amin’ny ony va no mahatezitra an’i Iaveh? sa amin’ny ony no irehetan’ny fahatezeranao? amin’ny ranomasina no mampisafoaka anao, raha ilay mitaingina ny soavalinao iny Ianao, raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?
Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Atsory mankany Haia ny lefona eny an-tananao, fa efa natolotro ho eo ambany fahefanao izy.» Dia natondron’i Jôsoe ny tanàna ny lefona teny an-tanany.