Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 14:12 - Baiboly Katolika

Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptianina fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an’efitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Ejipta hoe: Aoka izao fa avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptiana? Fa aleonay manompo ny Ejiptiana toy izay ho faty any an-tany efitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Ejipta hoe: Aoka izao fa avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptiana? Fa aleonay manompo ny Ejiptiana toy izay ho faty any an-tany efitra.

Jereo ny toko



Eksodosy 14:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Ny razanay tany Ejipta tsy nihevitra ny fahagagana nataonao, tsy nahatsiaro ny hamaroan’ny fahasoavanao; niodina teo amoron-dranomasina, dia ny Ranomasina Mena.


Nony nalefan’i Faraôna nandeha ny vahoaka, dia tsy nentin’Andriamanitra hihazo ny lalana amin’ny tanin’ny Filistinina, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: «Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta.»


Ary ankehitriny dia indro fa tafasondrotra hatrany amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely, ary efa hitako ny fahoriany atambesatry ny Ejiptianina amin’izy ireo.


ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»


Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany. Nefa tsy nihaino an’i Môizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana.


Tafaraikitra amin’ny sampy i Efraima; avelao izy ho eo!


Koa ankehitriny, Iaveh ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona».


Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».


nanao hoe: «Mifampaninona izahay sy ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»


ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy,»