Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.
Eksodosy 12:36 - Baiboly Katolika Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka, ka nahazo izay nangatahiny. Nanongaka babo tamin’ny Ejiptianina izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nataon’NY TOMPO nahita fitia teo imason’ny Ejiptiana ny olona ka nomen’ireo azy izay nangatahiny. Nofoanany tamin’izany ny Ejiptiana. DIEM PROTESTANTA Nataon’ny TOMPO nahazo sitraka tamin’ny Ejiptianina ka nahazo izay rehetra nangatahiny; ary nofoanan’izy ireo mihitsy ny teo an-tanan’ny Ejiptianina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nataon’ny TOMPO nahazo sitraka tamin’ny Ejiptianina ka nahazo izay rehetra nangatahiny; ary nofoanan’izy ireo mihitsy ny teo an-tanan’ny Ejiptianina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nataon’i Jehovah nahita fitia teo imason’ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana. Malagasy Bible Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana. La Bible en Malgache Fa nataon’NY TOMPO nahita fitia teo imason’ny Ejiptiana ny olona ka nomen’ireo azy izay nangatahiny. Nofoanany tamin’izany ny Ejiptiana. |
Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.
Nomban’i Iaveh anefa i Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin’ny mpitandrina ny tranomaizina.
Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.
Dia nentiny nivoaka ny vahoakany nitondra volafotsy sy volamena, ary tsy nisy nangozohozo tamin’ireo fokony, na dia iray aza.
Koa ilazao ny vahoaka mba samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena avy, ny lehilahy amin’ny lehilahy mifanolotra aminy; ny vehivavy amin’ny vehivavy mifanolotra aminy.»
Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka; ary i Môizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin’ny mpanompon’i Faraôna na tamin’ny vahoaka.
niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.
Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.