Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:26 - Baiboly Katolika

Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no hambaran’izao fomba masina izao aminareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha manontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary raha manontany anareo ny anton’izany ny zanakareo,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha manontany anareo ny anton’izany ny zanakareo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha manontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao?

Jereo ny toko



Eksodosy 12:26
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.


Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.


mba hotantarainao amin’ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin’izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»


Rehefa tafiditra any amin’ny tany homen’i Iaveh anareo ianareo, araka ny nampanantenainy, dia hotandremanareo izany fomba masina izany.


Tsy niala teo alohan’ny vahoaka ny andry rahona raha antoandro, sy ny andry afo nony alina.


Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.


Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.


Ampianaro ny zanakareo izany, resaho aminy izany, na mitoetra ao an-tranonao ianao, na mandeha amin’ny dia alehanao, na mandry ianao na miarina.


Tsarovy ny andro taloha, saino ny taona tamin’ny taranaka taloha, anontanio an-drainao, fa hatorony anao, amin’ny anti-panahy, fa halazany anao:


«Raha manontany anao ny zanakao, indray andro any, manao hoe: Ahoana moa ny amin’ireo didy sy lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh Andriamanitsika anareo ireo?


Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.