Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:26 - Baiboly Katolika

Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin’ireo no hangalanay hoenti-manompo an’i Iaveh Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an’i Iaveh, raha tsy efa tonga any.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny omby aman’ondrinay dia hoentinay hiaraka aminay koa; tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hakanay hanompoana NY TOMPO Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay hoentinay hanompoana NY TOMPO mandra-pahatonganay any.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankoatra izany, hoentinay koa ny andiam-biby fiompinay, ka tsy hisy bibinay havela na iray aza. Tsy maintsy hakanay hatao fanatitra ho an’ny TOMPO Andriamanitray koa mantsy ireo; nefa tsy fantatray hoe iza amin’ireo no hataonay fanatitra, raha tsy efa tonga any an-toerana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankoatra izany, hoentinay koa ny andiam-biby fiompinay, ka tsy hisy bibinay havela na iray aza. Tsy maintsy hakanay hatao fanatitra ho an’ny TOMPO Andriamanitray koa mantsy ireo; nefa tsy fantatray hoe iza amin’ireo no hataonay fanatitra, raha tsy efa tonga any an-toerana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny omby aman-ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an’i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an’i Jehovah mandra-pahatonganay any.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny omby aman’ondrinay dia hoentinay hiaraka aminay koa; tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hakanay hanompoana NY TOMPO Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay hoentinay hanompoana NY TOMPO mandra-pahatonganay any.

Jereo ny toko



Eksodosy 10:26
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Môizy: «Tsy maintsy atolotrao eo an-tananay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin’i Iaveh Andriamanitray.


Ary hoy ny navalin’i Môizy: «Hankany avokoa izahay omban’ny ankizy sy ny anti-dahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an’i Iaveh izany ho anay.»


Ento ny ondry mbamin’ny ombinareo, araka ny voalazanareo. Mandehana ka mba tsofy rano aho.»


ary notanterahin’i Iaveh ny tenin’i Môizy ka dia niala tamin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lali-be ka tsy nisy tavela, na dia iray aza.


Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao, sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.


Ary hatokana ho an’i Iaveh ny tombom-barony sy ny tanginy, fa tsy hangonina hiavosa na hotahirizina; satria ny azony dia ho an’ireo monina eo anatrehan’i Iaveh, hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.


Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo, handeha hitady an’i Iaveh, nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.


Amin’izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh; ary ny vilany ao an-tranon’i Iaveh, ho toy ny kapoaka eo anoloan’ny ôtely.


Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena amin’ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.


Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.