Apokalipsy 2:1 - Baiboly Katolika Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efesosy: Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tanany havanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito: DIEM PROTESTANTA –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efeso: «Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeranjiro volamena fito: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efeso: «Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeranjiro volamena fito: Baiboly Protestanta Malagasy SORATY ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito: Malagasy Bible Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: La Bible en Malgache Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efesosy: Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tanany havanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito: |
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Tonga tany Efezy izy ireo, dia nandao azy mivady i Paoly, ka niditra tao amin’ny sinagoga, niady hevitra tamin’ny Jody.
fa nanao veloma azy ireo nanao hoe: «Mbola hiverina atỳ aminareo ihany aho raha sitrak’Andriamanitra»; dia niala tao Efezy izy;
Raha mbola tany Kôrinty i Apôlô, i Paoly kosa tonga tany Efezy rehefa nitety ny faritany ambony tany Azia. Nony nahita ny mpianatra sasany teo izy,
Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.
izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»
Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin’ny folo no satroboninahitra teny an-dohany.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Pergama: Izao no lazain’Ilay manana ny sabatra marani-dany roa:
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Tiatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Smirna: Izao no lazain’ilay Voalohany sy Farany, Izay efa maty ka velona indray:
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laodisea: Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Filadelfia: Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha.