«Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany?
3Jaona 1:5 - Baiboly Katolika Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin’ny havana iray finoana, fa indrindra amin’ireo vahiny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ry malala, manao asa mahatoky ianao amin’izay rehetra ataonao amin’ireo rahalahy ireo na dia vahiny aza izy; DIEM PROTESTANTA Asan’olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin’ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Asan’olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin’ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ry malala, manao asa mahatoky hianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, Malagasy Bible Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, La Bible en Malgache Ry malala, manao asa mahatoky ianao amin’izay rehetra ataonao amin’ireo rahalahy ireo na dia vahiny aza izy; |
«Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany?
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Ary hoy ny Tompo: «Iza no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo mpino i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Ka rehefa tonga aho dia hopotsiriko ny nataony, sy ny bedibedy foana anaratsiany anay. Sady tsy afa-po amin’izany ihany izy; fa ny tenany, tsy mandray ny rahalahy; izay te-handray ireo koa, sakanany sy roahiny amin’ny Eglizy.
Faly loatra aho, fa nisy havana iray finoana tonga nanambara ny fahamarinanao, na ny andehananao araka ny fahamarinana.