Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




3Jaona 1:3 - Baiboly Katolika

Faly loatra aho, fa nisy havana iray finoana tonga nanambara ny fahamarinanao, na ny andehananao araka ny fahamarinana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia ny fandehananao amin’ny marina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia ny fandehananao amin’ny marina.

Jereo ny toko



3Jaona 1:3
17 Rohy Ifampitohizana  

Tahirizo miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao.


Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo mpino i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:


tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;


Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.


ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra,


noho ny fahamarinana izay mitoetra ao amintsika sy ho ao amintsika mandrakizay:


Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.


Ka rehefa tonga aho dia hopotsiriko ny nataony, sy ny bedibedy foana anaratsiany anay. Sady tsy afa-po amin’izany ihany izy; fa ny tenany, tsy mandray ny rahalahy; izay te-handray ireo koa, sakanany sy roahiny amin’ny Eglizy.


Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.


Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny mandre fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.


Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin’ny havana iray finoana, fa indrindra amin’ireo vahiny;