Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




3Jaona 1:2 - Baiboly Katolika

Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mangataka amin’Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin’ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mangataka amin’Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin’ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

Jereo ny toko



3Jaona 1:2
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Jesoa nandre izany: «Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.


Narary saika maty tokoa izy, fa Andriamanitra namindra fo taminy; ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo mitongoa alahelo.


samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.


Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.


Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina;


Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havako, dia aza mianiana akory, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo;


Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.


Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.


Izaho anti-dahy, mamangy an’i Gaiosy malala, izay tiako araka ny marina.


Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena ianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin’ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan’i Satana.