2Makabeo 14:45 - Baiboly Katolika Mbola velona izy ary nirehitra ny fony, ka niarina, nanorika tamin’ny tenany rehetra ny ra, ary na dia voaratra mahatsiravina aza izy dia nihazakazaka namakivaky ny vahoaka nitsangana eo ambonin’ny vatolampy anankiray, nijoro teo, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola velona ihany izy, ary nentanin-kafanampo ka niarina; nanorika tamin’ny tenany manontolo ny ra, kanefa na voaratra mahatsiravina aza izy, dia nihazakazaka namakivaky ny vahoaka, ary nianika vatolampy anankiray, ka nijoro teo. |