2Makabeo 14:37 - Baiboly Katolika Ary nampangaina tamin’i Nikarôna ity olona anankiray atao hoe Razisa, anankiray amin’ny loholon’i Jerosalema, lehilahy tia ny iray tanindrazana aminy izy io, sady tsara laza indrindra, ka natao hoe rain’ny Jody, noho ny soa nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ireo loholon’i Jerosalema, dia nisy anankiray natao hoe Razisa. Fatra-pitia ny mpiray firenena taminy izy sady tsara laza tokoa ka nomen’ny olona anarana hoe «Rain’ny Jiosy» noho ny soa vitany. Kanjo nisy niampanga tamin’i Nikanôra io Razisa io. |