2Makabeo 13:4 - Baiboly Katolika Kanjo kosa, nampirehetin’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, tamin’io tsy misoro-doza io, ny fahatezeran’i Antiôkosa, fa nasehon’i Lisiasy tamin’ny mpanjaka fa i Menelasa no fototr’izao loza rehetra izao, ka nasain’i Antiôkosy nentina any Berea izy io, dia hovonoina any araka ny fanao amin’izany fitoerana izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanjo ny Tompo, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, dia nampirehi-katezerana an’i Antiôkosa tamin’ilay tsy mifaditrovana io. Nasehon’i Lisià tamin’ny mpanjaka manko fa io Menelà io no fototr’izao loza rehetra izao; ka nasain’i Antiôkosa nentina any Berea izy, dia hovonoina ho faty any araka ny fanao amin’izany toerana izany. |