2Makabeo 13:14 - Baiboly Katolika Koa nankininy tamin’ny Nahary an’izao tontolo izao, izay ho anjara fiafaran’ny Jody, dia namporisihiny ny namany hiady amin-kerim-po hatramin’ny fahafatesana, ho an’ny lalàna, ho an’ny tempoly, ho an’ny tanàna masina ary ho an’ny tanindrazana amam-pirenena, dia notarihiny ho eo amin’ny manodidina an’i Modìna ny tafiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nankininy tamin’ilay Mpahary an’izao tontolo izao ny ho fiafaran’ny ady; fa nampirisihany ny namany hiady amin-kerimpo hatramin’ny fahafatesana ho an’ny lalànany sy ny tempoliny, ho an’i Jerosalema sy ho an’ny tanindrazany ary ho an’ny fitondram-pireneny. Ary nasain’i Joda nitoby eo amin’ny manodidina an’i Môdôna ny tafiny. |