Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 4:20 - Baiboly Katolika

Nijanona any Kôrinto i Erasta; ary navelako any Mileto i Trôfima fa narary.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nitoetra tany Korinto i Erasto, fa i Trofimo dia nilaozako tany Mileto satria narary izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nijanona any Kôrinto i Erasta; ary i Trôfimo dia navelako ao Mileto fa narary.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nijanona any Kôrinto i Erasta; ary i Trôfimo dia navelako ao Mileto fa narary.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nitoetra tany Korinto i Erasto, fa i Trofimo dia nilaozako tany Mileto satria narary izy.

Jereo ny toko



2Timoty 4:20
9 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany, dia niala tao Atenina i Paoly ka nankany Kôrinty.


Ary nino ny Tompo i Krisposa lehiben’ny sinagoga mbamin’ny ankohonany rehetra; ka nisy maro ny tao Kôrinty no nino sy natao Batemy koa, nony efa nihaino an’i Paoly.


Nirahiny hankany Masedônia ny roa lahy tamin’izay nanampy azy, dia i Timote sy i Erasta, fa izy kosa mbola nijanona tao Azia andro vitsivitsy.


Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin’i Kiô ny ampitso, ary nitody tao Samôsy ny ampitson’izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson’iny indray.


Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an’ireo Pretran’ny Fiangonana.


Ary ireto no niaraka hatrany Azia: i Sôpatera zanak’i Pirosy avy any Berea, i Aristarka sy i Sekondosy avy any Tesalonika, i Gaiosy avy any Derbe, ary i Timote sy i Tisìka sy i Trôfima avy any Azia.


Fa hitan’izy ireo niaraka tamin’i Paoly tao an-tanàna i Trôfima avy any Efezy, ka nataony ho nampidiriny tao an-Tempoly ihany.


Manao veloma anareo i Gaiosy, ilay itoeranay, mbamin’ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosy havantsika.