2Timoty 2:8 - Baiboly Katolika Tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely toriko, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsarovy Jesosy Kristy izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny Filazantsara toriko, DIEM PROTESTANTA Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin’ny taranak’i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly torîko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin’ny taranak’i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly torîko. Baiboly Protestanta Malagasy Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny filazantsarako, Malagasy Bible Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, La Bible en Malgache Tsarovy Jesosy Kristy* izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny Filazantsara toriko, |
ka hoy Izy taminy: Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo,
Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely.
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
Fa noho ny maha mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny teny napetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy amin’ny fanjakany,
Ary ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko.
Ampahatsiaroviko anareo, ry kristianina havana, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo,
ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin’izany, mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.
Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko: «Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny liona avy amin’ny fokon’i Jodà sy solofon’i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombokaseny fito.»