Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
2Timoty 2:5 - Baiboly Katolika izay mifaninana hahazo loka amin’ny kianja filalaovana koa, tsy mahazo satroboninahitra raha tsy niady ara-dalàna; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy mandray anjara amin’ny fifaninanana dia tsy satrohana satroboninahitra izy raha tsy manezaka araka ny fitsipi-dalao. DIEM PROTESTANTA Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. Malagasy Bible Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. La Bible en Malgache Raha misy mandray anjara amin’ny fifaninanana dia tsy satrohana satroboninahitra izy raha tsy manezaka araka ny fitsipi-dalao. |
Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Marina fa noho ny fialonana sy fifandirana no itorian’ny sasany an’i Kristy, nefa ao koa ny manao an-katsaram-po tokoa,
ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy, araka ny heriny izay iasàny fatratra ato amiko.
Nataonao ambany vetivety noho ny Anjely Izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin’ny asan-tananao,
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:
Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.