2Tantara 9:18 - Baiboly Katolika Io seza fiandrianana io, dia nisy ambaratonga enina, fitoeran-tongotra volamena iray raiki-tena amin’ny seza fiandrianana, fitehenan-tanana teo an-daniny avy amin’ny fipetrahana, liona roa manolotra ireo fitehenan-tanana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana ary fitoeran-tongotra volamena izay naraikitra tamin’ny sezafiandrianana. Nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarivongana liona roa teo akaikin’ny fitehenan-tanana; DIEM PROTESTANTA Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan’ny fitehenan-tanana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan’ny fitehenan-tanana; Baiboly Protestanta Malagasy Nisy ambaratonga enina tamin’ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin’ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ny fitehenan-tànana; Malagasy Bible Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana; La Bible en Malgache Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana ary fitoeran-tongotra volamena izay naraikitra tamin’ny sezafiandrianana. Nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarivongana liona roa teo akaikin’ny fitehenan-tanana; |
ary liona 12 teo amin’ny ambaratonga enina, dia enina an-daniny avy. Tsy mbola nisy zavatra vita toy izany, tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.
Indro firenena miarina toy ny liom-bavy, Sy mitsangana mova tsy ny liona! Tsy mandry izy raha tsy efa nihinana ny hazany, Sy efa nisotro ny ran’ny voaratra.»
Manongalika izy ary mandry toy ny liona, Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy? Hohasoavina anie izay hitso-drano anao! Ho voaozona anie izay hanozona anao!»
Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko: «Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny liona avy amin’ny fokon’i Jodà sy solofon’i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombokaseny fito.»