Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan’ny fitehenan-tanana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana ary fitoeran-tongotra volamena izay naraikitra tamin’ny sezafiandrianana. Nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarivongana liona roa teo akaikin’ny fitehenan-tanana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan’ny fitehenan-tanana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Io seza fiandrianana io, dia nisy ambaratonga enina, fitoeran-tongotra volamena iray raiki-tena amin’ny seza fiandrianana, fitehenan-tanana teo an-daniny avy amin’ny fipetrahana, liona roa manolotra ireo fitehenan-tanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Nisy ambaratonga enina tamin’ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin’ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ny fitehenan-tànana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana ary fitoeran-tongotra volamena izay naraikitra tamin’ny sezafiandrianana. Nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarivongana liona roa teo akaikin’ny fitehenan-tanana;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:18
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nampamboatra sezafiandrianana lehibe koa izy, dia sezafiandrianana izay voaravaka ivoara sady nopetahana takela-bolamena madio.


ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin’ny zanatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.


Indro io vahoaka io fa mitsangana toy ny bibidia masiaka, ary mijoro tahaka ny liona, izay tsy mandry raha tsy voky remby sy mamon’ny ran’ny biby voahazany.»


Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»


Dia hoy ny anankiray tamin’ireo loholona tamiko: –Aoka izay ny ranomasonao! Indro ny liona avy amin’ny fokon’i Joda, dia ilay solofon’i Davida mpanjaka, fa nahazo fandresena ka afaka hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra