i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; ary i Adônirama zanak’i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana.
2Tantara 8:8 - Baiboly Katolika dia ny taranak’ireo, izay nandimby azy nipetraka tamin’ny tany, ka tsy naringan’ny zanak’i Israely, no nalain’i Salômôna ho mpanao fanompoana, mandrak’androany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny fa tsy naringan’ny Israely, ireny no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany. DIEM PROTESTANTA Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny, fa tsy naringan’ny Isiraely, no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka andro-any. Malagasy Bible dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany. La Bible en Malgache dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny fa tsy naringan’ny Israely, ireny no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany. |
i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; ary i Adônirama zanak’i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana.
Nony afaka roapolo taona, ka efa naorin’i Salômôna ny trano roa, dia ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka: i Hirama, mpanjakan’i Tira, no efa namonona ny hazo sedera sy ny hazo sipresa mbamin’ny volamena ho an’i Salômôna araka izay nilainy,
dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.
Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.
Fa tsy mba nisy nandevozin’i Salômôna nampanaovina ny raharahany ny zanak’i Israely, na dia iray aza; fa izy ireo kosa no miaramilany sy mpifehy ny manamboninahiny ary komandin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly.
Tsy nandroaka ny Kananeanina nonina teo Gazera izy ireo, ka niara-nonina tamin’i Efraima mandraka androany ny Kananeanina, nefa ampanaoviny fanompoana kosa.
Nony efa nihamahery ny zanak’i Israely dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina fa tsy noroahiny.